Kly Randrianirina Michael : “Sivily ny Praiminisitra eo fa tsy miaramila”

Efa namariparitra amin’ny ampahany ny ho mpiara-miasa aminy ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michael. Anisan’izany ny ho praiminisitra sy ireo ho mpikambana eo anivon’ny governemanta. “Ny laharam-pahamehana fahatelo dia ny fametrahana ny Praiminisitra sy ny governemantany. Izay aloha no asa maika izao. Sivily ny Praiminisitra eo fa tsy miaramila, ary sivily no betsaka ao anatin’ny governemanta”. Izay ny fanambaran’ny filohan’ny fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny kolonely Randrianirina Michael, nidina ifotony teny amin’ny foiben’ny Jirama Ambohimanambola, afakomaly, nijery ny amin’ny fama­tsian-jiro sy rano an’Anta­na­narivo sy ny manodidina. Tsy maintsy antsoina ny tanora amin’ny fotoana hananganana ny governemanta. Ny faniriny dia hiainga avy any ifotony ny fanatanterahana ny fifidianana. Nefa miankina amin’ny fikaonandoham-pirenena izay, araka ny nambarany.
Dingana voalohany fidinana ifotony nataony io, niarahany tamin’ny tanoran’ny Gen Z mba hahita miaraka aminy ny olana ao amin’ny Jirama. Niara-nahita izy ireo fa goavambe ny olana. Misy azo vahana amin’ny fohy ezaka, misy azo vahana amin’ny lavitra ezaka.
Ezahina hojerena izay, fa vao midina voalohany izy ireo. “Ezaka ataontsika izao ny hampiverina indray an’ireo mpampiasa vola avy any ivelany”, hoy izy. Satria nitsoaka avokoa ny ankamaroany, dia lasa tsy matoky ny fanjakana malagasy intsony ny mpampiasa vola. Tsy ny fanjakana no mamorona asa, fa rehefa betsaka ny indostria sy ny orinasa mitsangana eto Mada­gasikara: miforona ho azy ny asa. Ny fisintonana an’ireo mpampiasa vola no maha­maika izao. Dia miverina
avokoa indray izy ireo. Efa miditra amin’ny fotoana maitso ahitra izao, mila mijery sahady koa ny momba ny famatsiam-bary.

R. Nd.

Partager sur: