Iray amin’ireo fifaninanana iraisam-pirenena lehibe eo amin’ny tontolon’ny fizahantany sy kolontsaina ny « Miss Tourism International ». Nanana an’i Hendry Tsiky nisolo tena azy i Madagasikara tamin’ity taona 2025 ity.
Ny sabotsy 18 oktobra teo, tany Malezia no nanatontosana ny famaranana teo amin’ilay fifaninanana iraisam-pirenena « Miss Tourism International » taona 2025. Raha ny valiny avy any an-toerana. Tafiditra tao anatin’ ireo mpifaninana 20 mendrika indrindra (Top 20) i Hendry Tsiky, solontenan’i Madagasikara. I Zuzanna Balonek, tovovavy avy any Pologne kosa no nahazo ny satroboninahitry ny « Miss Tourism International » 2025. Ilay filipianina Eds Enero kosa no nisalotra ny « Miss Tourism Queen of the Year International » 2025/ 2026. Ankoatra ireo sokajy roa ireo : « Miss Tourism Metropolitan International » 2025/26 i Doris Bai (Chine), « Miss Tourism Cosmopolitan International » 2025/26 i Andrea Pineda (Colombie), « Miss Tourism Global » 2025/ 26 i Mitchell Otieno (Kenya). Nahazo ny loka manokana (Special Awards) « Dreamgirl of the Year International » 2025/26 i Sasicha Duangket (Thaïlande) ary ny loka « Miss South East Asia Tourism Ambassadress » 2025/26 i Tan Sanh Vy Vo (Vietnam).
Nisaotra ny Malagasy rehetra tamin’ny fanohanana azy i Hendry Tsiky. « Misaotra indrindra amin’ny fanohanana rehetra! Misaotra noho ny fitiavana sy ny fankaherezana nataonareo nandritra iny fifaninanana lehibe iny. Voninahitra lehibe izany nisolontena an’i Madagasikara tamin’ny « Miss Tourism International » izany. Teo ihany koa ny nahatafidirana ho anisan’ny « Top 20 » izay reharehantsika rehetra. Tsy ho afaka ao am-poko ny natao rehetra. Ho an’ny tanindrazana, ho anao ihany koa », hoy izy.
Tsiahivina fa, ankoatra ny fahalalana ankapobeny, anisan’ny notakiana tamin’ny mpifaninana ny fanehoana ny mampisongadina ny firenena niaviany amin’ny alalan’ny fizahantany. Fampahafantarana ireo toerana manana endrika kanto sy miavaka, mendrika ho tsidihina ao amin’ ilay firenena.
HaRy Razafindrakoto




