Boky roa mirakitra ny tantaran’i Madagasikara, hanampy sy hanamafy ireo efa nisy. Efa nivoaka izao ny « Madagascar sous la 1ère République de 1960 à 1972 », nangonin-dRakotoniaina Bearisoa. Manohy izany ny « Madagascar sous la 2e Republique de 1975 à 1992 » notontosain’i Lahiniriko Denis Alexandre. Samy novokarin’ny Editions jeunes malgaches avokoa izy ireto. Hisy ny fihaonana mivantana amin’ireo mpanoratra sy ho fampahafantarana ireo boky ny 8 novambra izao, amin’ny 10 ora, eny amin’ny Librairie Mille Feuilles Ankorahotra.
Mpanao gazety, mpikaroka tantara, manam-pahaizana manokana mahakasika ny tantaran’i Madagasikara ary efa namoaka boky maro momba ny tontolo politika, nanomboka ny taona 1940 hatramin’ny 1950, i Lahiniriko Denis Alexandre. Mpikaroka avy ao amin’ny Centre Roland Mousnier, Oniversiten’i Sorbonne kosa Rakotoniaina Bearisoa. Samy manana ny nitondrany ny angona sy ny voka-pikarohany ireto mpanoratra ireto, anatin’ireo boky, izay tena mifanojo indrindra amin’ny ilana ny fiverenana amin’ny tantara, amin’izao vanim-potoana izao.
Boky fahateo navoakan’ny Editions jeunes malgache ny « amboara Angano », boky faharoa, nosoratan’i Arikaomsa Randria. Natao hampitiavana ny vakiboky amin’ny ankizy kosa izy ity, ka angano miisa 5 no voarakitra ao.
Zo ny Aina




