Notanterahina, omaly teny Iavoloha ny fanendrena ny praiminisitra hitantana ny governemantana anatin’ny Fiadidiana ny fanovana ny Repoblikan’i Madagasikara. Rajaonarivelo Herintsalama no voatendry hisahana izany.
Notanterahina omaly hariva, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, ny fanendrena ny praiminisitra vaovao hitantana ny governemanta, anatin’ny Fanavaozana ny Repoblika an’i Madagasikara. Rajaonarivelo Herintsalama no nanankinan’ny filoham-panjakana, ny kolonely Randrianirina Michael, hisahana izany andraikitra goavana izany.
Araka ny fampahafantarana voaray teny an-toerana, manana ny fahaizana manokana momba ny lafiny toekarena ity praiminisitra vaovao ity. Manam-pahaizana momba ny fitantanana ny toekarena sy ny resaka indostria ny tenany, izay nandranto fianarana tany amin’ny Oniversiten’i Toulouse, any France. Manana fahalalana manokana sy traikefa eo amin’ny resaka varotra iraisam-pirenena sy ny toekarena indostrialy ary ny fananan’asa izy.
Tonga nanatrika ny lanonana fanendrena ny praiminisitra teny an-dapa ny filohan’ ny Antenimierampirenena sy ireo solombavambahoaka maro avy amin’ny Firaisankina sy ny mahaleo tena. Marihina fa mbola andrasana ny fanendrena ireo minisitra handrafitra ity governemanta ity.
Iza moa ny praiminisitra Herintsalama?
Araka ny fikarohana natao, efa voatendry ho filohan’ny fitaleavana teo anivon’ny Banky BNI Madagasikara ny Praiminisitra vaovao, Rajaonarivelo Herintsalama. Manana fifandraisana amin’ireo fikambanana iraisam-pirenena ny tenany. Efa tomponandraikitra voalohany nitantana ny Fivmpama ihany koa ity lehiben’ny Governemanta vaovao ity.
Fitia Randria




