Mandeha ny mandeha! Miroso tsikelikely amin’ny fandaminana ny fitondram-panjakana. Efatra andro taorian’ny fianianana, nivoaka ny Praiminisitra. Midika izany fa hiasa ny fitondram-panjakana. Mametraka ekipa vonona sy sahy ary heverina fa ho vanona. Hiasa sy hanompo tanindrazana tokoa anie.
Amin’izao fotoana izao, samy miandry ny rehetra. Inona ilay fanovana anaty rafitra hivoaka? Zavatra tsy azo atao velively raha tsy tafapetraka ny olona hitarika sy hanao ny adisisika rehetra.
Manomboka ny fiaingana, izay manao fahadisoana eo ka solafaka dia midofotra. Mila mahay misafidy ny tongotra atehina amin’ny tany, mba ho tsara fototra sy tsara andry. Raha vao mipetrapetraka ny lamina, mora ny manatanteraka ny asa sy ny vina. Mitaky ezaka goavana be ny toe-javatra andrasan’ny vahoaka. Ny vokatra takin’ny tolona rahateo mankadiry, tsy vitan’ny kobaka am-bava sy fanomezan-toky anjambany.
Taotrano tsy efan’ny irery anefa io fa mitaky ny fiaraha-mientan’ny vahoaka malagasy tsivakivolo. Fanovana rafitra sy manontolo izany tsy vitan’ny vonjy tavanandro sy ny koropadropaka. Tsy maintsy miara-misikim-ponitra ny olom-pirenena mitady fomba rehetra hanatrarana ny tanjona iombonana. Tsy vao manomboka akory dia efa mifanome tsiny. Tena miara-miainga sy miara-mirona.
Ny Praiminisitra no tafapetraka fa ny asa rehetra mbola mila ny hetsi-bahoaka. Tsy ilay fidinana an-dalambe akory fa tena ny fiovana sy fanovana avy any anatin’ny isam-batan’olona. Avy amin’ny tsirairay ny fiovana. Rehefa ny toe-tsaina sy ny fomba fiainana mihitsy no mila ahitsy sy hatsaraina, mila manaraka ny onjan’ny fanovana ny olon-drehetra. Tsy hianteherana an’ingahy filoha samirery.
r.r




