“Tsy tokony hisy fandaharanasa hafa aloha hatao mandritra ny Tetezamita, afa-tsy ny fanarenana haingana ny firenena. Eo koa ny fijerena haingana ny manaintaina ny vahoaka. Izay olona hita fa hahavita an’izany ao anatin’ny roa taona no tadiavina. Fa tsy olona tsy mahalala akory ny fahoriam-bahoaka sy ny tokony hanalana an’izany no hatao ao anatin’ny governemanta”. Io ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny Teza, Rakotoamboa Jean-Louis, ny amin’ny fananganana governemanta amin’izao Tetezamita izao. Farafahabetsany eo amin’ny 15 eo ny isan’ny minisitra. Tokony hanao fitsitsiana. Raharaha andavanandro no tanterahin’ny governemanta. Ny fandriampahalemana, ny fidangan’ny vidim-piainana, ny fanarenana ny sosialy sy toekarena, ny fahasalamana, ny fampianarana… Amin’ireo sehatra miantraika mivantana amin’ny vahoaka no tena miasa be ny minisitra ao anatin’izay.
Tokony ho fandaharanasa sosialy sy toekarena haingana be izany. Anisan’ny tsy maintsy hojerena maika ny fidangan’ny vidim-piainana izay tsy azo iainana intsony. Eo koa ny lafiny fandriampahalemana, ny fampianarana, ny fahasalamana… Tsy maintsy diovina ny firenena. Ireo rehetra nanao hadalana, izay nangalatra, sns: mila tsy maintsy tsaraina. Izay ihany no fampihavanana amin’ny vahoaka. Fa tsy sanatria hanao fihavanan-jiolahy eto: manao hadalana ny sasany; avy eo, hifandray tanana. Aleo hizioga ny zavatra nataony izay nanao hadalana.
R. Nd.




