TSELATRA

Zazavavy 7 taona namoy ny ainy vokatry ny haintrano tao Ambohitsilaozana, distrikan’Am­baton­drazaka, afakomaly. Mpivarotra lasantsy ny reniben’io zaza io. Nandraraka lasantsy ilay ramatoa kinanjo nahazo afo tampoka. Nirehitra tanteraka ny trano ka maty ny zafikeliny.
Hatry ny omaly, mbola voatsindr’ilay kamiaobe ny vatan’ireo olona telo voalaza ho namoy ny ainy, taorian’ny lozam-pifamoivoizana tao amin’ny tetezana Menagisy, Brickaville. Mananosarotra ny fanesorana ilay kamiao lehibe.
Tafaverina amin’ny tompony avokoa ireo omby 40 mahery nentin’ny dahalo tao Nosibe, kaominina Vasiana, distrikan’i Mandoto, ny sabotsy 18 oktobra lasa teo. Nifandona tamin’ny zandary ireo dahalo ka vaky nandositra taorian’ny fifampitifirana.
Mitaky ny hanaovana fanadihadiana lalina, amin’izao fotoana, ny ray aman-drenin’ny zazavavy 7 taona naolan’ny tsy mataho-tody tao Ampefy. Nentin’ny fianakaviany teny amin’ny mpitsabo io zaza io taorian’ny fahavoazany, ny herinandro lasa teo, saingy tsy tana ny ainy.

Partager sur: