Noraisin’ireo depiote ny Antenimieran’ny tanora ho an’ny fanovana sy ny fahaleovantena (Antaf), omaly, teny Tsimbazaza. Niompanan’ny resaka ny momba ny fanendrena ny Praiminisitra, Rajaonarivelo Herintsalama. Teo koa ny niresahan’ireo tanora ny amin’ ny fanovana tian-dry zareo hatao eto amin’ny firenena.
Vonona ho amin’ny fifampiresahana sy fifanakaloza-kevitra ny TGV sy ireo mpanohana ny fitondrana teo aloha, araka ny fanambaran’izy ireo. Mangataka ny FFKM izy ireo mba hanelanelana ny fifampiresahana. « Iray isika ary kolontsaintsika ny fandalana ny firaisankina sy ny fihavanana, ivoahana amin’ny krizy », hoy izy ireo.
Nanambara ny minisitra teo aloha, Andrianainarivelo Hajo, fa miantso ireo milaza fa misy dosie maloto momba azy amin’ny fanomezana tany tsy ara-dalàna. « Aoka hitory miaraka amin’ny porofo fa vonona aho. Andron’ny mangarahara sy ny fanovana izao », hoy izy. Tsy nangataka toerana praiminisitra koa ny tenany, araka ny nambarany.
Niantso ny governemanta mba ho tetibola ahitana taratra politika fitsitsiana ny filohan’ny Antenimierampirenena, Randrianasoloniaiko Siteny, omaly, teny Tsimbazaza. ”Aoka mba hamaly ny tena hetahetan’ ny vahoaka izany “, hoy izy tamin’ny fotoam-panokafana ny fivorian’ny Antenimierampirenena.




