Nitondra ny heviny momba ny raharaham-pirenena, indrindra ny eto Antananarivo Renivohitra, ireo mpanolotsaina maromaro, mitovy hevitra amin-dRavololomanana Lalatiana. Nambarany fa mila jerena akaiky ireo olana misy eny anivon’ny fokontany. Anisan’izany ny amin’ny fikasana hakana fahefana amin’ny fomba tsy ara-dalàna amin’ny fanesorana ireo sefo fokontany, eny anivon’ny boriborintany. « Tsy atao anaty fampitahorana na herisetra izany. Na koa fampihorohoroana. Tokony hatao ao anatin’ny fanarahan-dalàna avokoa ny fanapahan-kevitra rehetra raisina mba tsy hiteraka korontana », hoy izy ireo, tetsy Analakely, omaly. Nohitsiny ary nanaovany antso avo ny amin’ny tsy tokony hifanenjehana eto intsony. Miantso ny hampitsaharana ny valifaty politika samihafa ihany koa izy ireo. Aleo tena hapetraka eto amin’ny firenena ny tena fanovana marina, araka ny nambarany hatrany.
Nanteriny fa tokony hoentina am-pilaminana ny tanàna manoloana ny resabe amin’ny fametrahana delegasionina (PDS). Tsy te hiditra amin’izany izy ireo. Mpitantana mahay mitsinjo ny fihavanana ary mametraka ny fitantanana ara-dalàna ny ankehitriny. « Tsy fahotana ary tsy heloka ny niaraka tamin’ny mpitondra teo aloha. Tahaka izany koa, tsy fahotana na heloka ireo tsy nanao fihetsiketsehana », hoy ihany izy. Nohitsiny fa tsy azo ekena ny fifanenjehana sy fankahalana eto amin’ity Renivohitra ity.
Notsiahiviny fa velom-panantenana izy ireo raha nitsangana ny tanora amin’ny hanatsarana ny fiainan’ny mpiray tanindrazana sy ny fomba fanaovana politika. Nankasitrahin’ireto mpanolotsaina ireto izany.
Synèse R.




