Ny teo ihany no miverina

 

Voafitaka sa mpiray tsikombakomba ireo voalaza fa mpitolona tia tanindrazana? Raha ny zava-misy ankehi­triny manko, mitaky valiny izay fanontaniana izay. Mila fanazavana amin’olon-tsy fantatra izay toa fialokalofana sy mpisintona ny singa tokony hahetsika amin’ny toe-javamisy ankehitriny. Tsy tongatonga ho azy akory fa misy atidoha goavam-be samihafa, namolavola sy nanaka­rama ireny milaza fa mpitari-tolona ireny.
Iza no manao inona? Iza no nahazo tombontsoa tamin’ny fiovana mpitondra? Ary ireto vahoaka tsy mandadiharona mirangorango fanavaozana mba ahoana? Tena mifamahofaho ny raharaham-pirenena. Tena fetsy sy mahay ny olona namolavola ireny hetsika ireny. Hain’izy ireo ny namitaka ny sarambabem-bahoaka hiditra anatin’ ny vovony sy ny vela-pandriny. Ny teo ihany no miverina, ny olona fotsiny no niova.
Angaha misy azo atao intsony! Asa mety mbola hisy ve ny fanantenana, hisian’ny olom-pirenena tena hoe tia tanindrazana. Sa moa efa niala ilany vao tafapetraka ny olon’ilay olon-tsy fantatra, nandrombaka ny fahefana. Tena hoe tsy mba nivadika ny rasa amin’ilay firenena fa niofo fotsiny ny mpamily ilay lamasinina, tsy nisy fiovana no tsy hisy fanovana.
Mivimbina onja miiba ho an’ny firenena izany. Ilay ma­mahan-dalitra ny sarambabem-bahoaka. Mitondra ilay firenena mivarina an-kady. Mahatonga ilay boribory vetaveta amin’ny fahasahiranam-bahoaka no tena zava-doza. Tsy manambana intsony ny loza, fa vao manomboka ny fotoam-pitondrana dia efa misy zavatra mitsinkafonkafona sadasada.
Mila mitandrina avokoa, araka izany, ny olom-pire­nena tsirairay, na ny mpitondra na ny entina. Tsy ampy ny fientanentanam-po fahatany. Mitaky asa sy finiavana madio sy am-pitiavana ny fahafahana mitondra fanovana, araka ilay andrasan’ny daholobe.

r.r

Partager sur: