Namory olona tetsy amin’ny Kianjan’ny 13 mey, omaly, ny Jly Rafidison Bernardin. Nambarany fa tsara ny mivavaka. « Tsy tsara anefa ny mifamitaka. Asa ho an’ny tanindrazana no hatao hoe mivavaka. Misy tia tanindrazana eto ka aoka isika tsy ho voambaka », hoy izy. Nampanantena ny tenany fa olona voahosotr’ Andriamanitra hanarina ny firenena.
Lasa mpanohana ny fitondrana ny RMDM ka niova anarana ho Rodoben’ny mpanohana ho an’ny demokrasia indray ny anarany, raha Rodoben’ny Malagasy izany teo aloha. Na izany aza, hiteny ireo tsy mety eto amin’ny firenena ihany izy ireo. « Tokony hifampihaino isika fa olana ny tsy fisian’izany teo aloha », hoy izy ireo.
Mangataka ny hihaona manokana amin’ny filoham-panjakana, Randrianirina Michael, ireo ben’ny Tanàna manerana ny Nosy, araka ny fanambarana nataon’izy ireo tetsy Andoharanofotsy, omaly. Angatahin’izy ireo koa ny ho fandraisana anjaran’ireto olom-boafidy eny ifotony ireto amin’ny fihaonambem-pirenena, hitondran’izy ireo ny heviny.
Mila apetraka haingana ny tondrozotra, ny fandaharanasa, araka ny fanambaran’ny KMF/Cnoe, omaly. Anisan’izany koa ny rafitra, ahitana ireo manam-pahaizana isan-tokony eo ambany fifehezan’ny Praiminisitra. « Hiandraikitra manokana ny fanavaozan-drafitra izany ary hiainga avy eny ifotony ny fakan-kevitra: kaominina, faritra, nasionaly », hoy izy ireo.




