Nifandamina ny samy mpanakanto sy ny mpikarakara. Efa tapaka izany ary tsy miova intsony fa ny alahady 16 novambra no hanaovana ilay fampisehoan’i Marion, ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. «Noho ny fangatahan’i Bodo manokana dia nomenay azy ny daty 23 novambra, izay efa azy teo aloha ihany saingy najanon’ny mpikarakara ka nomena anay indray. Isika rahateo te handroso ka tsy miova intsony io 16 novambra io», hoy ny nambaran’i Sylvanno Ratsimandresy, tomponandraikitra voalohany
amin’ny fikarakarana ao amin’ny SR Event.
Raha tsiahivina, tokony hotontosaina ny 26 oktobra izao ilay ivon’ny fankalazana ny 20 taona an-tsehatra ho an’i Marion. Niezaka nitazona izay fotoana amin’ny mpankafy izay ihany ny mpikarakara sy ny mpanakanto, saingy nisy ny toe-draharaha nafana teto. Nataon’izy ireo laharam-pahamehana aloha izay fiainam-pirenena izay. Voatery nahemotra, ka nijery izay daty mety ny rehetra. Nanome ny datin’ny 23 novambra ho an’ny SR Event ny tomponandraikitry ny Palais des sports, noho ny fanafoanana efa nataon’ny mpikarakara teo aloha. «Tsy misy adisoan’ny Sr Event, tsy misy hadisoan’i Bodo akory fa nisy ny fifandaminana. niangavy ny SR Event aho dia nomen’izy ireo ny daty», hoy ny fanamafisana nataon’i Bodo. Nilamina iny izany, ary antenaina fa efa milamina ihany koa ny toe-draharaham-pirenena, ka afaka miverina amin’ny fialamboly sy ny zavakanto amin’izay ny rehetra.
Zo ny Aina




