Nahitsy ary tsy nitsitsy fitenenana ny eo anivon’ny Sendikan’ny mpitsara (SMM), Mbitanarivo Andriantsihorisoa, omaly, tetsy Anosy. « Manome 48 ora izahay mba hamaliana ny olan’ny mpandraharahan’ny fonja. Misy amin’ireo voampanga efa nahavitana fanadihadiana tokony haiditra am-ponja no mikatso fotsiny noho ny mbola fitokonanan’izy ireo. Ao koa ireo efa tokony hivoaka ny fonja », hoy izy ireo.
Etsy andaniny, tsy nahafaly ny SMM ny famoahana tamin’ny fomba tsy ara-dalàna ireo gadra sasany. Anisan’izany ireo tsy tokony ho anisan’ny gadra politika fa nanao heloka nefa tafavoaka tamin’ny alalan’ny baiko… “Hentitra izahay fa atsaharo ny baiko sy ny fanelanelanana ary koa ny tsindry ara-politika », hoy izy ireo.
Mandrahona hiroso anatin’ny fitokonana ny SMM raha toa ka mbola mitohy ny tsy fandraisana olona tokony hampidirina am-ponja sy ny famahana izany olana izany.
Synèse R.




