Praiminisitra Rajaonarivelo Herintsalama : “Enjehina ireo manodinkodina harem-pirenena”

“Tsy maintsy enjehina sy saziana ireo rehetra manimba ny hasin’ny firenena amin’ny fanodinkodinana volam-panjakana na ny harem-pirenena. Tsy hisy fizahana tavan’olona izany, tsy hisy harovana noho ny maha havana na namana”. Io ny nambaran’ny Praimi­nisitra Rajaonarivelo Herintsa­lama, teny Mahazoarivo, oma­ly, tamin’ny famindram-pitantanana teo aminy sy ny Pra­iminisitra teo aloha, ny Jly Zafisambo Ruphin Fortunat. Tsy maintsy mamerina sy manonitra izay meloka. Na eto an-tanindrazana izany, na any ivelany. Izay no politika tsy misy fandeferana sy hanorenana fanjakana madio, miorina amin’ny fahamarinana sy ny fangaraharana ary ny fandraisana andraikitra.
Raha te hitsangana indray i Madagasikara, mila miorina amin’ny fototra telo. Ny fanajana sy ny fifanajana ny soatoavina voalohany: fanajana ny lalàna, ny hasin’ny olona tsirairay, ny fananana iombonana, ny fitsipika mifehy ny fiarahamonina. Ny fihavanana no soatoavina faharoa, tsy misy resaka politika na fiaviana. Ny fiaraha-mientana no soatoavina fahatelo. Tsy irery ny fitondrana foibe, fa mila ny fandraisana anjaran’ny olom-pirenena rehetra. Na an-drenivohitra izany, na ambanivohitra. Amin­ ’ny alalan’ny fifanajana sy ny fihavanana sy ny fiaraha-mientana, ho tonga amin’ny fandriampahalemana sy ny fahamarinana ary fahombiazana.
“Tsy ekena ny fanararaotana sy ny kolikoly ary ny fandanilaniam-poana”, hoy izy. Hiverina amin’ny fahamatorana sy ny fifehezana ary ny fitandremana amin’ny fananana iombonana ny rehetra. Tsy an’olona iray na antokon’olona izany, fa an’ny vahoaka malagasy manontolo. Izay no tena hasin’ny fitantanana marina sy madio.

R. Nd.

Partager sur: