Raharaham-pirenena : teny Iavoloha ny iraky ny Sadc

Noraisin’ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michael, teny Iavoloha, omaly, ny iraka avy amin’ny Sadc. Tetsy andanin’izay, nisy jeneraly niaraka tamin’ny andian’olona nivory tetsy amin’ny Kianjan’ny 13 mey, manohitra ny famadihana ny tolona.

Mandalo eto Madaga­si­kara hatramin’ny sa­bo­tsy ho avy izao ny delegasionina avy amin’ny Sadc. Nihaona tamin’ny solontenam-panjakana malagasy, notarihin’ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Mic­hael, izy ireo, omaly. Tsy nisy nipika ny dinika tao Iavoloha. Anisan’ny anton-dian’izy ireo ny hanelanelana sy hikaroka vahaolana. Hiompana amin’ny fihainoana sy fakan-kevitra amin’ny hery velona eto amin’ny firenena, ankoatra ireo mpifanandrina politika izany. « Hohenoinay avokoa izy re­he­tra ireo mba hahitana va­haolana », hoy ny mpamita iraka.
Hitohy amin’ireo mpisehatra politika sy ny eo anivon’ny fiarahamonim-pirenena ary koa ny eo anivon’ny FFKM ny fitsidihana avy eo. Ny sabotsy ho avy izao, eny amin’ny Radisson Blue, no voalaza fa hanatanterahana ny fihainoana azy ireo. Ankoatra izay, napetraka ihany koa ny fakan-kevitra ana habaka, ahafahan’ny olom-pirenena tsirairay mitondra ny tolo-kevitra avy aminy. Tsiahivina fa aorian’ny fakan-kevitra eto an-toerana dia hanao tatitra ny iraka nampanaovina azy eo anivon’ny Troika ao amin’ny Sadc izy ireo.

Hetsika hafa
Ankoatra izay, nanamarika ny omaly, teto an-drenivohitra, ny fisiana andian’olona notarihin’ny jeneraly Rafidison Alain Bernardin, teny amin’ny Kian­jan’ny 13 mey. Nisy ny lahateny izay nataony, nentina na­non­tsanana ny famitahana ny vahoaka tamin’ny fanendrena Praiminisitra. Nohamafisiny fa firenena voasafidy manokana i Madagasikara, mendrika ny fanovana tena izy. Nambarany fa zava-dehibe ny fanovana mifototra amin’ny fanahy maha olombelona.
Nilaza izy sy ny mpanara-dia azy fa tsy manaiky ny famadihana ny tolom-bahoaka ho amin’ny fanovana tena izy ny rafitra misy.

Synèse R.

Partager sur: