Naiditra hopitaly i Kolibera. Mbola ho lavalava ny fitsaboana, ka hanao seho tolo-tanana ireo mpanakanto maro, hanampiana azy hahazo fahasalamana malaky.
«Narary tao an-trano izy ka voatery nampidirina hopitaly. Efa hita ho mihatsara ny fahasalamany, saingy mbola ho lava ny fitsaboana raha ny nambaran’ny dokotera», hoy ny nambaran’i Nini, zanak’i Kolibera. Noho izany indrindra no nahatonga ny fiaraha-mientan’ireo mpanakanto, hanao tolo-tanana ho an’ity andrarezin’ny tendry gasy ity. Hisy ny hetsika izay hotontosaina ny sabotsy 25 oktobra izao, eny Anat’Sah Ambohitrimanjaka, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany.
Inah, Fara Gloum, Tselonina, Kiady, Ony, Ralanto, ny tarika Manan’Art, izay ampian’ireo mpitendry gitara fanta-daza toa an’i Tolotra, Hoby Saka, Nary Mahaleo, Jovin ary i Eric Rason no hanafana ny fotoana. Tsy izy ireo ihany, satria fantatra fa maro ireo mbola namaly ny antso taty aorian’ny nivoahan’ny afisy ka hifandimby hanafana ny sehatra ao. «Hatolotra manontolo ho an’ny zoky Kolibera izay vola azo amin’io, ho fiatrehany ny tohin’ny fitsaboana», hoy i Erick Rason. Fanombohana ihany, sy noho ny hamehana, ity hetsika amin’ny sabotsy ity. Mety mbola hisy ny manaraka, arakakaraka izay voaangona sy ny filan’ny fitsaboana. Na tsy ho afaka ho eny Ambohitrimanjaka aza, entanina ihany koa ireo mpankafy sy ireo te hanolo-tanana an’i Kolibera hanefa ny adidiny amin’ny Mvola 034 61 419 83, izay misoratra amin’ny zanany Nini Kolibera.
Andrarezin’ny tendry gitara
Anisan’ireo zokiny indrindra mihazona ny Bagasy i Kolibera. Namolavola sy niara-niasa tamin’ny mpanakanto maro izy, ka antony mahamaro ireo namaly ny antso tolo-tanana ihany koa izany. Iray tamin’ireo mpamoron-kira tao amin’ny tarika Rakotozany Stanislas no tena nahafantaran’ny maro an’i Kolibera voalohany. Nanana ny tarika azy manokana taty aoriana, ankoatra ny tarika Feo Gasy sy ny fanarahany an’i Erick Manana eny an-tsehatra. Anisan’ ireo nandrafitra ny tarika Kalaza, izay nisolo tena an’i Madagasikara tamina hetsika maro tany ivelany ihany koa izy. Ankoatra izay, nampita traikefa tamina mpitendry gitara maro i Kolibera, ary saika nanovo fahalalana taminy avokoa ireo miaka-daza amin’ ny tendry gitara amin’izao fotoana. Tsy latsa-danja tamin’izany ireo nifaninanana nandritra ny «Tafan-gilita Festival». I Kolibera ihany koa no zokiny indrindra tamin’ireo nanaovana «Poa-tsatroka» nandritra ny andiany voalohany, ny 13 septambra lasa teo.
Zo ny Aina




