Toy ny sehatra rehetra, nahitana fifohazana ihany koa ny zavakanto. Maro tamin’ireo mpanao mozika no teny an-kianja nandritra ireny fihetsiketsehana ireny, ka tian’izy ireo hitohy amin’ny asa mivaingana izany.
Manaraka akaiky ny fivoaran’ny rahaharam-pirenena ihany koa ireo mpanakanto. Ho an’ ireo mpanao mozika manokana, maro izy ireo no tazana nilahatra, naneho hevitra ary nitondra ny anjara birikiny, nandritra ny fihetsiketsehana, herinandro vitsivitsy lasa izay. Efa nifamory ary nandefa taratasy fangatahana ny mba hanokafana ny Kianjan’ny 13 mey, na dia indray andro monja hanehoan’ny rehetra hevitra izy ireo, nialoha izao. Tsy nijanona teo fa tapak’ireo mpanakanto fa tonga amin’ny fotoana tsy maintsy hirosoana mankany amin’ny fiovana izao. Hanomboka any amin’ny sehatra misy azy ireo manokana izany, ka efa nisy ny tolo-kevitra izay nangonina mialoha. Nisy ny fananganana vondrona tamin’ny alalan’ny “Messenger”, izay ahafahan’ ireo mpanakanto sy mpisehatra amin’ny zavakanto maneho ny heviny, mahakasika izay tontolo izay.
Tapaka ary fa hisy ny fihaonambe mivantana voalohany, izay hotontosaina rahampitso amin’ny 3 ora tolakandro, ao amin’ny Kianjan’ny kanto Mahamasina. Antsoina amin’izany ireo mpanakanto mpanao mozika, miampy ireo mpisehatra amin’ny tontolon’ ny zavakanto rehetra (teknisianina, mpikarakara hetsika, sns). Lohahevitra maro no hodinihina, izay misy fohy ezaka ary misy ny lavitra ezaka. Akaiky indrindra amin’ izany ny mety ho tombantombana amin’izay hitana ny andraikitry ny minisitra hisahana ny kolontsaina. Manaraka avy eo ny hetaheta izay havadika ho drafitrasa, hatolotra izay minisitra eo, ka hatao arakaraka ny laharam-pahamehana izany.
Anisan’ireo notsongaina tamin’ireo hetaheta maro avy amin’ireo mpanakanto, ohatra, ny mahakasika ilay sata mifehy ny mpanakanto. Eo koa ireo “plateformes” hivarotana mozika, angatahina mba hahazoana vola mivantana aty Madagasikara. Ny manodidina ny zon’ny mpamorona, sns.
Zo ny Aina




