Tsy hisy ny sary ofisialin’ny filoham-panjakana, Randrianirina Michael, araka ny nampahafantarin’ny fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, raha tokony hapetaka amin’ny biraom-panjakana izany. Natao izany ialàna amin’ny kolontsaina fanandratana olon-tokana sy ho fampiharana ny politikan’ny fitsitsiana.
Hiverina hifampidinika amin’ny Sadc ny eo anivon’ny Antenimierampirenena, rahampitso. Efa nisy ny fihaonana savaranonando natao omaly, teny Tsimbazaza. Nivoitra tamin’izany fa tsy nanameloka avy hatrany an’i Madagasikara ity vondrom-paritra ara-toekarena ity. Mbola ao anatin’ny fanadihadiana izy ireo ary mihaino aloha.
Noraisin’ny vahoakan’Antsiranana teo amin’ny Kianjan’ny 13 mey any an-toerana ny ben’ny Tanàna, Djaovojozara Jean Luc. Nandray ny toerany, nanomboka omaly, izy rehefa voatery nanao sesitany ny tenany noho ny fanenjehan’ny fitondrana Rajoelina azy. Nisaotra ny tanora sy ny vahoaka manerana ny Nosy ny tenany ary nahatsiaro ireo lavo ihany koa.
Naneho fialantsiny ho an’ny mpiara-miasa, ny Gen Z ary ny vahoaka malagasy i Said, omaly, tao amin’ny Facebook. Efa miverina ny asa fitsaboana marary sy manoro hevitra tanora momba ny tolotrasa hitany izy izao. Tsiahivina fa notendren’ny filoha teo aloha ho mpanolotsaina teny Iavoloha ny tenany, tamin’ilay dinika tamin’ireo tanora ny 9 oktobra teo.




