Fiovana sy fanovana : Tsy voaresaka loatra ireo fototra maha firenena

Matetika ny tontolon’ny politika sy ny toekarena no misongadina. Ny olombelona hanatanteraka ny fiovana, anefa, tsy mahafantatra na mahafantatra ihany fa amin’ny ampahany ny momba azy. Noho izany, tsy tokony hamaivanina ireo fototra. Mila lamina mazava ny fampitiavana sy famerenana azy ireny indray eny amin’ny fiarahamonina. Tsy hita taratra loatra, anefa, izany.
Amin’ny fomba ahoana no hanehoana amin’ny taranaka malagasy fa ilainy ny miresaka mazava amin’ny tenin-drazany ? Hanana endrika tahaka inona ny paika na tetika hilazana amin’ny Malagasy fa azy i Madagasikara sy ny mom­ba azy iray manontolo ? Aiza ny lalan-kaleha raha haneho amin’ny tanora fa tsy azy sady tsy fombany ny manao tsinontsinona ny raiamandreny?
… Teny, tany, fomba amam-panao, fahalalana, fanabeazana, sns. Manana ny mampiavaka sy ny maha izy azy ny Malagasy. Lamina voajanahary nipetrahan’ny soatoavina izy ireny ka mila fikajiana fatratra. Tsy tokony hankinina amina olon-tokana na fikambanana vitsivitsy ny fanatanterahana izany.
… Anisan’ny maha Mala­gasy rahateo ny fanabeazana eo anivon’ny ankohonana. Tokony haverina haingana araka ny nanatanterahan’ny Malagasy azy izy io. Manaton­tosa ny adidiny ny ray aman-dreny. Miverina amin’ny maha «vatonamelankafatra» azy izy ireo. Mampita hafatra (fomba amam-panao, fady, teny…).

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: