Hira sy fanabeazana : Manohy ny fitetezam-paritra i Zook Davids

«Mankany amin’ny lafiny efatry ny tany, hizara hafaliana», hoy i Zook Davids. Na, teto an-toerana, na tany ivelany, samy nanehoan’ity mpanakanto sady mpanabe no mpampianatra ity, ny talentany avokoa, tamin’ity taona 2025 ity. Fantatra omaly, fa mitohy hatrany izany. Ho any Taolagnaro na Fort-Dauphin tsy ho ela izy sy ireo mpikambana ao amin’ny tarika hoentiny.
Mampiavaka ny fampisehoana an-tsehatra tontosain’i Zook Davids ny fahaizany manambatra ny talentany amin’ny asa iantsorohany andavanandro. Mamoron-kira, mihira, mitendry zavamaneno, sns. Ahatarafana sy ahitana ny maha mpanabe sy ny maha mpampianatra azy avokoa ireo. Tononkira, feon-kira, fomba fiakanjo, fandrindrana, sns, nokendrena ahatafita hafatra ho an’izay maheno azy.
Manome lanja kokoa ny fanabeazana ny ankizy sy ny tanora ny sanganasan’i Zook Davids. Matetika, amin’ny ala­lan’ny gadon-kira mihetsiketsika sy fihetsika manentana. Na izany aza, mampiasa karazana gadona hafa ny tarika. Mampiasa ny teny malagasy sy ny teny vahiny rahateo izy ireo.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: