TARATRY ny KANTO

Hisy ny fihaonan’ny zanak’i Menabe eto Antananarivo, hotontosaina rahampitso, eny amin’ny Villa Kalotody Andohanimandroseza, izay haka endrika lanonana sy fiaraha-misakafo. Hanafana ny fotoana ry Sylange Kilalaky, Thybaut ary Bekasety. Eo koa ny DJ Frunk, hanohy amin’ny fampandihizana. Maimaim­poana ary hanasan’ny fikambanana ireo zanak’i Menabe rehetra izany.

Iraimbilanja, etsy amin’ny Piment Café Behoririka. Taorian’ny tarika Jeneraly, tamin’ny heriny, hotohizan-dry Batata sy ny tariny indray ny «cabaret» ao amin’ity toerana ity, anio, manomboka amin’ny 9 ora alina. Fotoana hamerenan’ny tarika ireo hirany tsy lefy laza hatrizay, izay hanakaikezany kokoa ireo mpankafy hanatrika izany. Miverina tsimoramora eo ny fialamboly amin’ny alina.

« Tafitraotry South East Urban Show » , eny amin’ny Jao’s pub Ambohipo. Anio, amin’ny 9 ora alina, ity fiarahan’i Mashmanjaka sy i Shekba an-tsehatra ity. Hanehoan’izy ireo ny mozika an-tanàn-dehibe, avy any amin’ny ilay atsimo atsinanan’ny Nosy. Mozika misy fototra malagasy, saingy mivelatra ihany koa amin’izao tontolo izao. Mitondra hafatra mafonja, araka ny efa nahafantarana an’i Mashamanjaka hatramin’izay.

Partager sur: