FANTINA sy FINTINA

Nivoaka tamin’ny gazetim-panjakana, omaly hariva, fa nesorina tamin’ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry, ny zom-pirenena malagasy nananany. Ankoatra izay, nolavin’ny HCC ny fitoriany momba ny fomba nanonganana azy teo amin’ny toerany. Nambaran’ny etsy Ambohidahy, afakomaly, fa tsy mitombina intsony ny fitoriana. « Efa nisy ny fanapahan-kevitra noraisin’ny HCC nanala azy teo amin’ny toerany », hoy izy ireo.
Mbola manana ny maro an’isa ao amin’ny Antenimiera ny vondrona parlemantera Irmar, araka ny nambaran’izy ireo, omaly. « Tena fanitsakitsahana ny Lalàmpanorenana ka tsy ara-dalàna ny fanendrena ny Praiminisitra. Mbola maro an’isa izahay tamin’ny fotoana nanolorana ny anaran’ny lehiben’ny governemanta ary hatramin’izao izany », hoy izy ireo.
Nahemotra ny fotoana tokony hifidianana ireo ho mpikambana ao amin’ny Birao maharitry ny Antenimierampirenena. Anton’izany ny mbola hifandaminan’izy ireo. Fantatra koa anefa fa tsy mbola nahitana marimaritra iraisana ny fandrafetana ireo handrafitra ny birao maharitra ireo solombavambahoaka hatreto. Anisan’izany ny momba ny fifandanjan-kery.
Manameloka ny fihetsika mamohehatra sy herisetra natao tamin’ny lehiben’ny mpirakidraharaha any Toamasina ny minisiteran’ny Fitsarana, omaly. Notakian’ireo koa ny hijerena akaiky izao raharaha izao. Anisan’izany ny hanafainganana ny fanadihadiana momba io tranga io. Eo koa ny fanamelohana ny fihetsika nataon’ireo olona tsy mataho-tody

Partager sur: