Andrasana fatratra… Rahoviana ny governemanta vaovao? Nilaza ny filohan’ny fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny Kly Randrianirina Michael, fa tsy hihoatra ny rahampitso alahady izany.
“Efa miasa ao anatiny izao, raha ny fanirianay: tsy tokony hihoatra ny alahady… Ankinina amin’ny ao ambony hatrany rehefa manao zavatra.” Io no nambaran’ny filohan’ny fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny Kly Randrianirina Michael, ny amin’ny fijoroan’ny governemanta, teny Iavoloha, omaly, taorian’ny fihaonana tamin’ireo masoivoho vahiny miasa sy monina eto Madagasikara. “Efa nisafidy ny hanaraka ny lalàmpanorenana aloha isika. Ny lalàmpanorenana dia nanome anay ny fahefana tamin’ny alalan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) “, hoy izy manoloana ny resaka ny amin’ny tokony handravana na tsia ny Antenimierampirenena. Ny didy navoakan’ny HCC dia hoe manohy ny asany aloha ireny andrimpanjakana ireny. Fa miroso amin’ny fifampiresahana nasionaly isika. Any no hahitana ny hatao momba ny ampitso. Tsy ho ela io fifampiresahana nasionaly io, amin’ny faran’ity volana ity no hanomboka.
Nanambarana izay tiana hatao hitondrana ny fanovana kosa ny dinika tamin’ireo masoivoho vahiny. Nomena ny endrika sy ny pitsopitsony momba izany, satria nanontanian-dry zareo ny momba izay tiana hatao amin’izany. Nangatahin-dry zareo ny tsy hialan-dry zareo amin’ny hanampiana an’i Madagasikara lalandava. Satria mila izany ny firenena. “Manantena izahay fa ny fahatongavan-dry zareo marobe toy izao dia midika fampitomboana fiaraha-miasa”, hoy izy. Ao anatin’ny fiaraha-miasa amin’ny Banky iraisam-pirenena (BM) sy ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI), ohatra, ny fambolena. Mahita fanampiana ho amin’ny fambolena ao anatin’izay. Mbola hodinihina miaraka amin’ireo mpamatsy vola koa ny hahazoana manatanteraka ny tetikasa rehetra teo aloha.
R. Nd.




