Zavakanto afrikanina? Ilay fihaonana lehibe « Also Known As Africa » na ny Akaa no hamakafaka sy haneho bebe kokoa azy io. Anisan’ny hanasongadina izany ny fivoahan’ilay boky « La peinture malgache » nosoratan’i Hemmerson.
Hotontosaina anio hatramin’ny 26 oktobra izao ny «Also Known As Africa» na Akaa. Any amin’ny Carreau sy Temple ao Paris no hanaovana ny andiany faha-10 amin’ity hetsika ho an’ny zavakanto afrikanina ankehitriny ity. Hatao ho ambohi-pihaonana hiresahana sy hamakafakana ny zavakanto afrikanina izany. Sanganasa maro no natolotry ny Fonds Yavarhoussein amin’io, izay manasongadina avokoa ny harena ara-javakanto sy ny fahaiza-manaon’ireo mpanakanto malagasy. Misongadina indrindra amin’ireo ny «La peinture malgache», sanganasan’i Hemmerson Andrianetrazafy, izay boky malagasy sambany tafiditra amina hetsika toy izao.
Fahaterahana indray izany ho an’ny « La peinture malgache ». Efa nivoaka tamin’ny 30 taona lasa, tao amin’ny Foi et Justice mantsy izy ity, ary naverina natonta tamin’ny taon-dasa. Nampiana karazan-tsary sy fampahafantarana, hampanan-karena bebe kokoa azy ny boky amin’ny endriny vaovao. Tsy boky fampahalalana ny momba ny hosodoko sy ny mpanao hosodoko malagasy fotsiny mantsy izy ity, fa angom-pikarohana feno maneho ilay fanahy malagasy hita sy tsapa amin’ny alalan’ny hosodoko sy ny hairaha ara-endrika amam-bika. Hamakafakana ny fototra niainana, ny lalana nodiavina ary hitarafana ny hoavin’ny zavakanto malagasy izany. Voasoratra sy voasokitra ao ny anaran’ireo mpanakanto nametraka dian-tanana teo amin’ny hosodoko malagasy, nanomboka tany amin’ny andron’ny fanjanahantany.
Mpampianatra, mpikaroka ary mpikambana feno ao amin’ny Akademia Malagasy i Hemmerson Andrianetrazafy. Poeta, mpanoratra, mpanao hosodoko sy hairaha ara-endrika amam-bika kosa no tena hahafantaran’ny maro azy.
Zo ny Aina




