Hatao rahampitso ilay sehon’ny tarika Olombelo Ricky. Tokony ho natao ny zoma 26 septambra io saingy voatery nahemotra noho ny zava-nitranga teto amin’ny firenena. Tsy niova kosa ny toerana fa etsy amin’ny La City Food Court Ivandry ihany. Hanomboka amin’ny 4 ora tolakandro izany mandra-pisaraka eo. Tsiahivina fa efa lany mialoha avokoa ny tapakila an’ity seho ity, ary mbola manan-kery izy ireny.
Fampiarahana mozika eo amin’i Le Manana sy i Mbola Talenta. Samy mpitendry, samy mpihira fa indrindra samy mpamorona izy mirahalahy. Hiray sehatra anio, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, etsy amin’ny Madagascar Underground Antsahavola, izy mirahalahy ireto. Hizara lafiny hafa amin’ny mozika miaina, izay tsy dia fahita firy izy ireo mandritra izany.
Anio tolakandro ilay tolo-tanana ho an’i Kolibera. Haka endrika fifandimbiasana an-tsehatra izany ho an’ireo mpanakanto maro, izay saika mpanao hira an-gitara ny ankamaroany. Eny amin’ny An’Tsaha, sampanan’Ambohitrimanjaka no hanaovana ny hetsika. Ny vola rehetra izay voaangona dia hoentina hanampiana ny fiatrehan’i Kolibera ny fitsaboana. Marihina fa efa nampodian’ny hopitaly izy na mbola lavalava aza ny fotoana hanarahany ny fahasalamany.




