Nanao fanambarana ireo depiote lany tamin’ny vondrona Irmar, ahitana antoko sy fikambanana politika maro. Nisintaka niala izy ireo ary hanangana maro anisa vaovao.
Nambaran’izy ireo teny Tsimbazaza, ny sabotsy teo, fa 80% ireo nametra-pialana tsy ho ao anatin’ny vondrona parlemantera Irmar intsony. Anisan’ny anton’izany ny fahatsapana ny tarainan’ny vahoaka sy fitakiana ireo zo fototra ary koa amin’ny maha vahoaka azy ireo. « Nanapa-kevitra an-tsitrapo izahay rehefa nifandinika fa hiala. Hiaraka hanarina ny fiainan’ny vahoaka sy ny firenena amin’ny anjara tandrify anay miaraka amin’ny fitondram-panjakana tarihin’ny filoha, ny Kly Randrianirina Michael », hoy izy ireo. Nankasitrahin’izy ireo ny miaramila nanaporofo fa tandroka aron’ny vozona nandray ny andraikiny nampiverina indray ny filaminam-panjakana sy ny fiainam-bahoaka. Nisaoran’ireo depiote Irmar teo aloha ireo koa ireo solombavambahoaka namany, miara-misalahy amin’ny fanomezan-tanana feno tsy misy fepetra ny filoham-panjakana. Ho amin’ny fanorenana rafitra sy fitantanana vaovao, araka ny fanambarana hatrany. Natsidik’izy ireo fa mijoro ho anisan’ny handrafitra ny maro an’isa eo anivon’ny Antenimierampirenena koa ny vondrona GPRI, ny Upad, ny Irmar nametra-pialana. «Hifanolo-tanana amin’ny vahoaka ho amin’ny fanovana tena izy ary hitondra ny vahaolana manandrify ny andraikitray amin’ireo fitarainana maro tao anatin’ireny tolona fitakiana ny zo fototra ireny izahay», hoy izy ireo.
Notsiahivin’ireto depiote Irmar teo aloha ireto fa mpanao lalàna izy ireo ka tsy maintsy manara-dalàna.
Synèse R.




