FANTINA sy FINTINA

Tafaverina an-tanindrazana rehefa avy nanao sesitany ny tenany tany Frantsa, i Fanirisoa Erinaivo. Nambarany fa mitohy ny fanadihadiana ny mpandraharaha, Ravatomanga Mamy, atsy Maorisy. « Miandry ny tohiny isika. Miafara amin’ny sazy izany raha meloka izy », hoy izy teo am-pahatongavana teny Ivato. Maro ireo olona nitsena azy teny an-toerana.

Nidera ny ezaka ataon’ny filoham-panjakana, Randrianirina Michael, ny Vondrona eoropeanina, Roland Kobia. Anisan’izany ny fanamafisana ny demokrasia sy ny fanjakana tan-dalàna. Eo koa ny fahaiza-mitantana, ny ady amin’ny kolikoly. « Tokony ho ezahina ny fahazoana rano sy jiro ary ny fahasalamana sy ny fanabeazana ary ny asa », hoy izy.

Nametra-pialana ny zoma teo ny ben’ny Tanànan’i Manjakandriana, Razafindrakoto Solofo Jocelyn. Nidina an-dalambe nandritra ny andro vitsivitsy ny vahoaka tany an-toerana ka nahatonga azy niroso tamin’izany. Tsiahivina fa efa niala andro vitsy mialoha izao koa ny lefitry ny ben’ny Tanàna tao an-toerana.

Nampahery ny mpitondra ny filohan’ny FJKM, ny mpitandrina Andriampianina Zaka Hary Masy. Anisan’izany ny tokony hikatsahana ny tsy fahamarinana sy ny kolikoly ary ny gaboraraka mahazo vahana. Miandrandra fanovana rafi-pitantanana sy fitondrana ny vahoaka mba hananana hoavy azo antoka. « Aoka tsy hifandrangitra », hoy izy.

Partager sur: