Filoha teo aloha, Rajoelina Andry : Nidina teny amin’ny 13 mey mitaky ny fiverenany ny mpomba azy

Nanao hetsika tetsy amin’ny Kianjan’ny 13 mey ny mpomba ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry, ny sabotsy teo. Mitaky ny fiverenan’ity farany izy ireo.

Nidina tetsy amin’ny Ki­an­jan’ny 13 mey, ny asabotsy teo, ireo mpomba sy mpanara-dia ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry. Nitarika izany ny minisitra teo aloha, Sahondrari­malala Marie Michelle. Hen­titra ny teniny. « Mangataka izahay ny hanafoanana ny didim-panjakana manaisotra ny zom-pirenena malagasy ny filoha Rajoelina Andry. Na­hoana ianareo tomponandraikitra no manararaotra tahaka izao ? », hoy izy. Nanteriny fa tsy mbola tara raha miverina amin’ny fanapahan-kevitra sy ny ara-dalàna. Notsiahivina fa najoro ny HCC hiaro ny Lalàmpanorenana nefa nisy naka fahefana sy fanonganam-panjakana narahina basy teto. « Ahodina ho lasa nanaja Lalàmpanorenana iza­ny …Tsy midika akory izahay hoe manaiky ny zava-misy raha nangina », hoy izy. Nitohy amin’ny fanenjehana ny mpiara-dia sy ramatahora ary hazalambo eto amin’ny firenena izany, miaraka amin’ ny tsy fanarahan-dalàna, ara­ka ny nambarany. Niantso ny rehetra ny tenany fa mbola filohan’ny Repoblika, Rajoe­lina Andry, ka aoka hanana fahendrena ireo tomponandraikitra. Tsy ekena ny begalona mpanao politika sady mpandroba firenena mitantana eto, araka ny nambarany hatrany.
Anisan’ny niverimberina tamin’ny lahateny teny an-kianja izany famerenana ny ara-dalàna izany.  Eo koa ireo fitakiana samihafa. Nanao rodombe teny amin’ny HCC izy ireo rehefa niala tetsy amin’ny Kianjan’ny 13 mey ary nitaky ny hanafoanana ny fanesorana ny zom-pirenena malagasy an-dRajoelina Andry. «Hitohy hatrany ny hetsika mandra-pahatongan’ny fifampiresahana», hoy i Rinah Rakotomanga.

Synèse R.

Partager sur: