Nihaona tamin’ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël, ny masoivoho britanika. Manohana ny foto-kevitry ny filohan’ny Fanavaozana izy, araka ny nambarany.
“Ny fanjakana britanika dia manohana mafy ireo foto-kevitra roa lehibe izay nangatahin’ny filohan’ny Fanavaozana sy ny vahoaka malagasy: ny fifidianana malalaka sy ara-drariny, ary ny ady amin’ny kolikoly.” Io ny fanambran’ny masoivoho britanika, ny faran’ny herinandro teo, taorian’ny fihaonan’ireo masoivoho vahiny miasa sy monina eto Madagasikara tamin’ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Mickaël, teny Iavoloha. Voalohany, tokony hanompo ny tombontsoan’ny vahoaka ny governemanta. Raha mandresy amin’ny fifidianana amin’ny fomba tsy ara-drariny izy, tsy hanana antony hanompoana ny filan’ny vahoaka. Faharoa, manome fahafahana lehibe ny ady amin’ny kolikoly, ary vonona hanampy an’i Madagasikara amin’izany ny fanjakana britanika.
Rehefa ampangaina amin’ny fomba ara-drariny sy mibaribary ny mpanao heloka, mampita hafatra fa tokony hatahotra ny hangalatra ny harem-pirenena ny olona. Ho hita amin’izany koa ny famerenana amin’ny tompony ireo harem-be nangalarina. Naneho ny fahatakarany sy ny fanajany momba ny fahamailoan’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara manoloana ny fiantraikan’ny hery vahiny sasany koa ny ambasadaoro britanika. Maro ireo olona manandrana hanelingelina, nefa tsy manohana fifidianana malalaka sy ara-drariny. Eo koa ny ady amin’ny kolikoly, ny fahalalahana maneho hevitra sy mivory. Farany, nanamafy ny ambasadaoro fa manao ny asany ao anatin’ny fangaraharana tanteraka ny fanjakana britanika ary mirehareha mizara ireo asa ataony eto Madagasikara. “Manentana ny mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena rehetra izahay mba hanao toy izany koa”, hoy ny fanambarana.
R. Nd.




