Nentim-paharazana: Natsangana ny Vovonana mpitankasina mijoro

Ho tany repoblikanina, miorina amin’ny fomba nentim-paharazana i Madagasikara. Izay no tanjon’ny Vovonana mpitankasina mijoro izay nampahafantarina voalohany ny zoma 25 oktobra teo, tetsy amin’ny IKM Antsahavola. Ivondronan’ireo mpandala ny fomban-drazana malagasy, tsy anavahana foko sy firazanana izany. Mahatsapa izy ireo fa manana adidy goavana amin’izao toe-draharaha lalovan’ny firenena izao ka hanambatra ny hery ho fanampiana ny Malagasy.
« Izahay tsy hanongam-panjakana fa hanome hasina ny maha Malagasy ny Malagasy. Vao hoe Malagasy dia misy ny tany, ny teny, ny tantara , ny olona ary ny fomba. Ny fomba dia misy isaky ny faritra ka ny faniriana dia ny hametraka fomba ikambanana, iarahan’ny Malagasy rehetra », hoy ny nambaran’ny Mpitankasina, Marolongo Gilbert, izay voahosotra hitarika ny vovonana.
Fantatra fa hisy hetsika lehibe hokarakarain’ny vovonana ato ho ato, hamerenana ny hasina maha Malagasy koa manentana ny vahoaka rehetra izy ireo hifanohana amin’izany.

Zo ny Aina

Partager sur: