Vita ny iraky ny Sadc : Andrasana ny fanapahan-kevitra

“Tsy mbola afa-manolotra ny tatitra feno ry zareo, fa mbola eo am-pamaranana an’izay. Maro ireo olona nihaonana. Mbola ao anatin’ny fandaminana sy fandrindra an’ireo vaovao voaangona ry zareo amin’izao.” Io ny fanazavan’ny sekretera jeneraliln’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, Ratsimbazafy Eric, teny Iavoloha, afakomaly, ny amin’ny famaranan’ny iraky ny Sadc ny angom-baovao natao manoloana ny toe-draharaham-pirenena eto Madagasikara. Ao anatin’ny vondrona politika momba ny filaminana sy fandriampahalemana ny iraky ny Sadc. Telo ireo firenena mpikambana ao ka i Malawi no mpitarika ny delegasionina. Hanao tatitra eo anivon’ny foiben’ny Sadc any Gaborone, Botswana, izy ireo amin’ny faran’ity volana ity.
Vokatry ny angom-baovao nataon-dry zareo teto Mada­gasikara, anjaran’ny Sadc ny manapa-kevitra momba an’i Madagasikara. Eo koa ny fiarahana amin’ny fitantanana ny krizy. Hatramin’izao, tsy mbola misy tatitra nentin-dry zareo taorian’ny fandalovany teto Madagasikara, tamin’ny 22 ka hatramin’ny 25 oktobra lasa teo. Fanindroany ny fihaonana natao tamin’ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Mickaël, hatramin’izay nahatongavan’ny iraka izay.

R. Nd.

Partager sur: