“Heverinay fa tsy tokony ho maika hiroso amin’ny famolavolana ny tetibolam-panjakana 2026 ny fitondrana. Fifanakalozan-kevitra politika iarahan’ny hery velona rehetra ny lalana tokony hizorana amin’izao”. Io ny fanambaran’ny sekretera jeneralin’ny firaisamonina sivily CCOC, i Radert Hony, teny Ambatonakanga, omaly, ny amin’ny fandrafetana tetibolam-panjakana. Izay no hamoaka izay ho firafitry ny Tetezamita hitantana mandritra ny roa taona ho avy. Tokony ho fantatra hoe: inona avokoa ireo rafitra toy ny andrimpanjakana sy ireo minisitera tokony hijoro mandritra ny Tetezamita? Amin’izay vao tokony hovitaina ny famolavolana ny tetibolam-panjakana.
Eo ireo fitakian’ny sehatra tsy miankina amin’ny fandraisana anjaran’ny fitondram-panjakana noho ireo fahasimbana nandritra ny fandrobana nanomboka ny 25 septambra sy ny taty aoriana. Eo koa ny fitakian’ny mpianatra eny amin’ny oniversite. Noho izany, misy tokony hiova ao anatin’ny tetibolam-panjakana na ny rafitra. Satria hoe tokony ho ao anatin’ny fitsitsiana no hiainan’ny fitondram-panjakana mandritra ny Tetezamita. Ankoatra izay, mila jerena tsara izay tena laharam-pahamehana. Miara-tapahina mandritra ny fifanakalozan-kevitra politika izany rehetra izany.
Amin’ny CCOC, ny lafiny sosialy no laharam-pahamehana. Mila sitrahana amim-pitoniana ny momba ny fahasalamana, fanabeazana, fandriampahalemana… Zo fototra ho an’ny olom-pirenena tsirairay avy izany. Amin’izany, jerena ny fitsitsiana. Ilaina ny vola ampy hahazoana manara-maso ny fomba fandaniam-bolan’ny rafitra.
R. Nd.




