Anisan’ireo noraisin’ny eo anivon’ny FFKM, ny herinandro teo, ny delegasionin’ny Sadc, nialoha ny nandehanan’izy ireo. Nifantohan’ny dinika ny momba ny toe-draharaham-pirenena amin’izao fotoana izao.
Nivoitra tamin’ny dinika teny Andohalo, niarahan’ny Sadc sy ireo filoham-piangonana ary ny birao foibe, ny momba ny toe-draharaha ankehitriny. Eo koa ny anjara biriky horaisin’ny FFKM amin’ny famahana ny olana eto amin’ny firenena. « Niaraha-nidinika tamin’izany ny fikarohana vahaolana hivoahana amin’ny krizy sy ny mety ho fiaraha-miasan’ny roa tonta raha eken’ny rafitra isan’ambaratonga izany », hoy ny loharanom-baovao. Nanambara ny anton-diany teto Madagasikara sy ny momba ireo fakan-kevitra samihafa nataony ireo iraky ny Sadc. Teo koa ny fahitan’izy ireo ny antony niteraka ny krizy sy ny vahaolana heverin’izy ireo fa ivoahana amin’izao krizy izao. Efa maherin’ny 50 ireo mpanao politika sy sehatra samihafa noraisin’ny FFKM. Anisan’izany ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël sy ny avy amin’ny mpiara-dia amin’ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry. Ireo avy amin’ny vovonana Firaisankina sy ny vovonana Kolektifa. Ny avy amin’ireo rafitra miady amin’ny kolikoly: Bianco, Samifin, Arai… Ny mpisafodraharaham-panjakana « Inspection général de l’Etat », ny eo anivon’ny Antenimierandoholona, ny fiarahamonim-pirenena.
Paikady hanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena
Tsiahivina fa efa voarafitry ny birao foiben’ny FFKM ary efa voadinika ny mety ho fandaharam-potoana amin’ny fikaonandoham-pirenena, hatao ato ho ato. Mamaramparana izany ny eo anivon’ny ekipa teknika rehetra sady mametraka ny paikady rehetra ho amin’ny fanatanterahana izany. « Mbola hiandrasana ny fankatoavan’ireo filoham-piangonana efatra mirahalahy anefa izany », hoy hatrany ny loharanom-baovao.
Synèse R.




