Na hiverina ifotony na tsia : Ilaina hatrany ny mahay tantara

Iray amin’ireo tetika nambaboan’ny vahiny an’i Mada­gasikara ny fianaran-dry zareo ny tantara nisy teto Mada­gasikara. Nanatanteraka io iraka io ireo mpitondra fivavahana sasany, ireo mpahay tantara vitsivitsy, ny mpahay taozavatra, sns. Ireny no anisan’ny nampita izany tany amin’ny firenena naniraka azy… Ny Malagasy na ireo firenena nozanahiny kosa, nezahan-dry zareo ho very tantara. Novainy, natsimbadiny, nodisoina, namoronany lainga sy hatsanga tsy aman’orana. Ireo tranga nahazo ny tantaram-pirenena ireo no mila hay amin’izao vanim-potoanan’ny fanavaozana izao. Ilaina ny hivoahan’ny tena zava-nisy marina. Ny fahalalana ny tantara, rahateo, no anisan’ireo singa iray mametraka ny fototry ny hoavy.
… Ilaina fahasahiana ny fanovana ny fandaharam-pianarana « Tantara sy Jeo­gra­fia » any an-tsekoly. Esorina izay tsy ilaina. Hampidirina ny manan-danja. Tahaka izany ihany koa ny taranja « Mala­gasy ». Ireo hiteraka fivoarana eo amin’ny Malagasy sy i Madagasikara no tazonina sy hatevenina.
Azo hampifanindran-dalana amin’ireo ny fanovana ny toe-tsaina na ilay fomba fisainana. Tokony hisy na haverina indray ny taranja « Fana­be­azana maha olona ». Io no tsy ampy ka mahatonga ny Mala­gasy hanana fomba fisainana sadasada sy tsy mifanaraka amin’ny maha Malagasy azy.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: