Fanjakana Anglisy : Hanohana ny ady amin’ny kolikoly

Nandray ny masoivohon’i Royaume-Uni, Patrick Lynch, avy hatrany ny minisitra vaovao misahana ny Fitsarana, i Fanirisoa Ernaivo, taorian’ny nanendrena azy amin’izany toerana izany. Niaraha-nidinika tamin’zany ny fandaharanasa mikendry ny hananganana rafitra mahomby amin’ny ady amin’ny kolikoly. « Vonona izahay ary hanampy sy hanolo-tena hanohana ireo mpiara-miombon’antoka eto an-toerana amin’ity ady sarotra ity », hoy ny ambasadaoron’i Grande Bretagne.
Efa nialohavan’ny fihaonan’ity masoivoho eto amintsika ity tamin’ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michael izany, ny herinandro teo. Nambaran’ny ambasadaoro fa manome fahafahana lehibe ny ady amin’ny kolikoly. « Manana fahavonona hanampy an’i Madagasikara amin’izany ny fanjakana britanika », hoy ihany izy.

Synèse R.

Partager sur: