Nahazo toromarika ny amin’ny tsy fandraisany anjara amin’ny governemanta ny TGV sy ny vovonana Irmar ary ireo mpanara-dia ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry. Nampita izany ny minisitra teo aloha, misahana ny Fanabeazam-pirenena, Sahondrarimalala Marie Michelle.
Hentitra ny Primatiora eny Mahazoarivo momba ny fiaram-panjakana. « Hosaziana ireo mitazona izany, tsy ovaina. Mila miroso amin’ny fanoloana ireo takelaka ho « plaque rouge » avokoa ny minisitera rehetra sy ireo mampiasa fiaram-panjakana », hoy ny fanambarana. Tsikaritra fa misy ireo mampiasa izany ho an’ny fiainany manokana.
Nirary soa avy hatrany ny minisitra vaovao, Razanamahasoa Christine, ny minisitry ny Raharaham-bahiny teo aloha, Rasata Rafaravavitafika. «Tonga ny fotoanan’ny fanovana sy fanohizana ny ezaka tsara ka mampahery azy amin’ny andraikitra lehibe hosahaniny», hoy izy. Notsiahiviny fa nataony am-pitiavana sy fanetren-tena ny asa ho an’ny firenena.
Ifandrombahan’ireo depiote ny toerana eo anivon’ny birao maharitry ny Antenimierampirenena. Efa ho 40 mahery ireo kandidà miady ny toeran’ny filoha lefitra miisa enina, ankoatra ny seza ho an’ny kestora telo ary ny mpampakateny. Na izany aza, voalaza fa hisy ny fandaminana, ahitana ny marimaritra iraisana amin’ny fifidianana.




