Niatrika avy hatrany ny filankevitry ny governemanta ireo mpikambana vaovao, notarihin’ny praiminisitra, Rajaonarivelo Herintsalama, teny Mahazoarivo, omaly. Hentitra ny tenany tamin’izany.
«Ilaina ny fitondrana vokatra hita maso sy azo tsapain-tanana amin’ny ezaka rehetra hatao mba hahamafy orina ny fifampitokisana eo amin’ny vahoaka sy ny mpitondra », hoy izy. Eo koa ny fametrahana fitantanana vaovao mampiaina ny fahitsiana sy ny fahendrena, ny fahamatorana sy ny fahaiza-manao, ary ny tamberin’andraikitra sy ny mangarahara, araka ny nambarany. Nohamafisiny fa ilaina ny fananganana fanjakana marina, mahomby ary manompo ny vahoaka. Dingana mizotra mankany amin’ny lala-mazava hitarika any amin’ny fanavaozana marina ny asa hotanterahina. « Ao anatin’ny fanajana ny fihavanana ary ny fiaraha-mientana, soatoavina fototra miisa telo efa nosoritany hananganana indray an’i Madagasikara », hoy ihany izy. Tanterahina amin’ny fahamatorana sy ny asa iombonana ny hananganana indray ny hasin’ny firenena.
Natsidiny teo am-panombohana ny filankevitry ny governemanta fa manamarika ny fanombohan’ny asa iombonan’ny governemanta vaovao izao fihaonana voalohany izao, ho fampiharana ny toromarika sy ny vina napetraka ho an’ny fanarenana haingana sy fampandrosoana ny firenena. Nitohy tamin’ny nanomezan’ny Praiminisitra toromarika momba ireo toetra tokony hananan’ireo minisitra rehetra ao anatin’ity asa fanompoana masina ny firenena sy ny vahoaka ity izany.
Synèse R.




