Maro ny manam-pahaizana : Ny manam-panahy handalana no ilaina

Mizotra any amin’ny lalan’ny fanovana i Madagasikara, raha ny kajy politika. Matetika, hadino ny fanahy maha olona raha ny fahalalan’ny Malagasy. Ilaina ny manam-pahaizana sy be diplaoma. Ilaina ny fanovan-drafitra mba ho marin-toerana. Nanomboka tany amin’ny niverenan’ny fahaleovantenan’ity Nosy ity ka hatramin’izao, toa samy nanindraindra izany avokoa… Saingy, mby aiza i Madagasikara?
Tsy hahita izay katsahiny ny Malagasy raha mbola ireo fo­tsiny ihany no hatao ho laharam-pahamehana hifantenana izay ho «mpitarika» any amina sehatra isan-tsokajiny. Malagasy manam-panahy handalana. Malagasy mahafantatra ny maha izy azy (tany, teny, fomba amam-panao, fady, fivavahany…) no takin’ny lamina voajanahary mba hampanjary izay hatao.
… Manana olona manam-panahy sy mahafantatra ny momba azy manontolo i Madagasikara. Manana olona hampanjary indray ilay hasina ao aminy i Madagasikara. Rehefa tsy ho «mpitarika» ihany, ho fakan-kevitra.
Tsetsatsetsa tsy aritra. Manana karazana fihozonana maro ny Malagasy. Izay manana toerana «mpitarika», mila manatanteraka izany.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: