Minisitry ny kolontsaina sy ny serasera : Andraikitra goavana no miandry an’i Gascar Fenosoa

Sokajiana ho minisitera « kely », kanefa mitana andraikitra goavana amin’ny rahaharam-pirenena ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera. Fanamby maro no miandry ny minisitra vaovao.

Mandrindrarivony Ogas­car Fenosoa. Izy no voatendry hisahana ny andraikitry ny minisitry ny Ko­lontsaina sy ny serasera, nandimby an’i Mara Volamiranty Donna. Solombavambahoa­kan’i Madagasikara voafidy tao amin’ny firaisana fahatelo, teto Antananarivo, izy. Mia­loha izay, fantatry ny maro amin’ny maha mpanao gazety, ary nampalaza azy indrindra ny niandraiketany ilay fandaharana «L’invité du jour» tao amin’ny Real TV. Ankoa­tra izay, mpikabary fanta-daza ihany koa no mpisehatra eo anivon’ny skotisma ny minisitra vaovao.
Maromaro ny asa miandry ny minisitry ny Kolontsaina sy ny serasera, raha tarafina tamin’ireo fangatahana sy fanehoan-kevitra marobe avy amin’ireo mpisehatra eo ambany fiahian’ny minisitera. Anisan’ireo nihetsiketsika nandritra ireny fitakiana an-dalambe ireny ireo mpanakanto mpanao mozika. Nisy ny fivoriana izay notontosain’izy ireo, namaritany sori-dalana homena izay hisahana ny kolontsaina. Nanantena mihi­tsy aza ireo mpanakanto ireo fa avy amin-dry zareo ny ho minisitra…
Lafiny kolontsaina ihany, efa nahatontosa fivoriana ka efa namoaka tsoa-kevitra koa ny vondron’ny mpandala ny maha malagasy. Mahakasika ny fomba amam-panao isam-paritra, sns, no tena votoatin’
izany. Noheverina tsy dia misy dikany ary azo halamina ha­trany, saingy efa miha mahazo vahana indray ny fifanenjehana eo amin’ny samy Mala­gasy, mpandala ny fomban-drazana andaniny, sy ny tsy mankato izany, indrindra ny kristianina, ankilany. Iankina­ny be amin’izay fanovana rafitra sy ny fijerena ny fototra ihany koa mantsy izany, ary lafiny kolontsaina kokoa vao politika.
Eo amin’ny sehatry ny serasera
Heverina fa voafehin’ny minisitra tsara ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety, izay misedra olana hatrany isaky ny misy hetsika ara-politika. Sehatrasa tsy mora ihany koa, indrindra ny mahakasika ny fahazoan’ny besinimaro misitraka ny vaovao, anatin’ny rafitra ara-dalàna sy ara-de­mokratika. Voaresaka foana ny hainao aman-jerim-panjakana (RNM sy TVM). Hanao ahoana ny hoavin’izy ireo? Ankoatra izay, niaraha-nahita ny maha zava-dehibe izay mety hivadika ho zava-doza ny tambajotran-tserasera ana habaka rehetra, rehefa tsy araka ny izy ny fampiasana azy. Misy andraikitry ny minisitera goavana ao…
Fa ampahany kely indrindra anatin’ny serasera anefa ny fanaovan-gazety. Sehatra saro-pady, ka nahatonga ireo ankolafy maro nangataka ny hanasarahana ny kolontsaina sy ny serasera tsy anaty minisitera iray izany. Hotonto­saina anio, ny fifampindram-pahefana eo amin’ny minisitra teo aloha, sy ny minisitry ny Kolontsaina sy ny serasera vaovao. Inoana fa hahazoana valiny, fara-faharatsiny hahafantarana ny laharam-pahamehana sy ny vinan’ny minisitra Gascar Fenosoa izany.

Zo ny Aina

Partager sur: