Nivadika ny rasa, teny Tsimbazaza. Voaongana avokoa ny depiote avy amin’ny Irmar, nandrafitra ny birao maharitry ny Antenimierampirenena. Lasan’ny Firaisankina ny maro an’isa.
Notanterahina omaly, ny fifidianana ireo handrafitra ny birao maharitra eo anivon’ny Antenimierampirenena. Nilamina ihany izany na teo aza ny olan’ny fahamaroan’ireo kandidà. Eo koa ny fiovan’ireo depiote Irmar, nifindra lasy nanohana ny fitondram-panjakana.
Araka izany, lasan’ireo mpanohitra teo aloha, efa mpanohana izao fanjakana izao, ny ankamaroan’ny toerana eo anivon’ny birao maharitra. Eo koa anefa ireo avy amin’ny tsy miankina.
Voafidy ho filoha lefitra, ho an’ny faritanin’Antananarivo, ny depiote Ralambozafimbololona Razafitsimialona. Solombavambahoaka voafidy tao amin’ny distrikan’Antananarivo V, Tim Firaisankina, izy. Ho an’Antsiranana, ny depiote voafidy ao Antsiranana I, Ibrahim Issa Charles, tsy miankina. Filoha lefitra faritanin’i Fianarantsoa, Andrianjanahary Fanomezantsoa, voafidy tao amin’ny distrikan’i Manandriana, avy amin’ny tsy miankina. Ny faritanin’i Mahajanga, filoha lefitra, ny Firaisankina, Afakandro Christian, voafidy tao amin’ny distrikan’i Mahajanga I. Ny depiote Razara Pierre Fidel « Del kely », avy amin’ny Tim Firaisankina kosa no filoha lefitra ho an’i Toamasina. Voafidy tao amin’ny distrikan’Ambatondrazaka ity farany. Filoha lefitra faritanin’i Toliara, ny depiote voafidy tao Ampanihy, Tsaradia Marco, avy amin’ny Irmar teo aloha.
Ho afa-miasa amin’izay ny Antenimiera
Etsy andaniny, voafidy ho kestora voalohan’ny Antenimiera ny depiote voafidy tetsy amin’ny boriborintany IV, Randriamasinoro Tahiry Ny Rina. Kestora faharoa ny depioten’Ambohidratrimo, Irmar teo aloha, Rakotoarisoa Johnny. Hisahana ny kestora fahatelo, ny depiote voafidy tany Mananjary, Mamihaja Charlot, avy amin’ny tsy miankina.
Eo amin’ny mpampakateny voalohany kosa ny depioten’i Mahanoro, Rakotoson Hubert, tsy miankina. Ny depiote Tim Firaisankina, Raharimanarivo Voahanginiaina kosa no mpampakateny lefitra.
Araka izany, hiroso tsy ho ela sy afa-miasa amin’izay amin’ny fandinihana ny lahadinika izany ireo depiote, manomboka izao.
Synèse R.




