Hentitra ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël, nanoloana ny praiminisitra sy ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta, afakomaly, tamin’ny filankevitry ny minisitra. « Manomboka amin’ny tsirairay ny fanovana sy ny fanavaozana. Asa ihany koa ny antsika fa tsy kabary », hoy izy.
Nanambara ny minisitra misahana ny Raharaham-bahiny, Razanahamasoa Christine, fa hisy tolona ara-diplaomatika hatao, manoloana ny sazy napetraky ny Vondrona afrikanina ho an’i Madagasikara, ny 15 oktobra lasa teo. « Hiadiana amin’izany ny hanesorana an’io sazy io ary asa lehibe ho an’ny minisitera tantanina izany », hoy izy.
Fanendrena mpiasam-panjakana voalohany natao tamin’ny filankevitry ny minisitra teny Iavoloha, afakomaly, ny ho sekretera jeneralin’ny governemanta, Razafimanantsoa Heritiana Joel sy ny sekretera jeneraly lefitra, Ramanantsoa Antsivalahiniriko. Tale kabinetra sivily Ratsimanetrimanana Fenosoa.
Nesorina amin’ny toerany ary notendrena ho tale jeneralin’ny mpandraharahan’ny fonja, Rasamoelina Herinirina Roger. Foana kosa ny didim-panjakana nanendrena ny teo aloha, araka ny fanapahana noraisin’ny filankevitry ny minisitra, teny Iavoloha. Anisan’ny fanapahana voalohany noraisin’ny minisitry ny Fitsarana, Fanirisoa Ernaivo, izany.




