Mihazakazaka kely indray aloha ny toe-draharaha politika tao anatin’ny 48 ora. Nipetraka ny governemanta izay voalaza hiasa sy hanome vokatra anatin’ny roa volana! Mba marina ve izany ry zareo? Koa na ny fametrahana olona sy fanovana ny firafitry ny minisitera aza ve ho vita ao anatin’izany. Sanatrian’ny vava ho lazaina fa petatoko ka hahasorena ireo tena mafana fo. Toa fampiesonana mihaja raha hitsiana avy hatrany.
Ohatra akaiky mampametra-panontaniana ny mahakasika ny olan’ny Jirama. Koa na Ilay zalahy avy any Nazareta nanova ny rano ho divay aza ve ahavita hamaly ny filan-dRamalagasy? Tsy mampino mihitsy aloha ny lokaloka hoe 60 andro dia hivaha. Kobaka am-bavan’ny mpanao politika avokoa izany. Efa manomboka mahay mandaha-teny sy mambabo fo rahateo ilay noheverina fa bonaika, baikoin’ny zo tsy fahafahana maneho hevitra. Toa misary mpilalao sarimihetsika izany avokoa. Miesona hatrany hatrany ilay tsy mandady harona.
Raha ny vaovao mihodinkodina any ambadika rehetra any, izay heverina ho honohono, dia mahavariana ihany aloha. Taiza koa hatrizay no misy izany hoe tsy filankevitry ny minisitra fa fakan-kevitra ataon’ny mpanolotsaina ambony ao an-dapa amin’izy 29 mianadahy. Angaha tsy asa avy hatrany indray? Mampieritreritra be ihany. Sao hataon’ny olona fitaovana fotsiny handrebirebena saim-bahoaka aza ireto minisitra ireto. Tsangan’olona fotsiny hamenoana ny fetr’isa takin’ny “Henjana”. Tsy hay aloha izay fahamarinany, fa amin’ny famakafakana hisainana ny Indraimbava, dia atsipitsipy ihany ny teny fa misy olon-tsotra, sivily izany hono (?) no tena ” super président”.
Honohono tokoa fa raha ny zava-misy ankehitriny aloha, iarahana mahita sy miaina fa mahalasa ny saina. Amin’izao fotoana izao aza efa malaza izany ho fandravana ny Ceni izany. Tsy noho ny fikasana hanova rafitra fa paikady ampitarazohana ny tetezamita aharitra dimy taona. Raha sanatrian’ny vava moa izany dia ahoana tokoa? Enga anie ka tsy ho marina fa mba horonan-tsarimihetsika fotsiny, foronina hoenti-mandemy saina.
Randria




