Tsy miova intsony ny daty, ny alahady 16 novambra 2025. Anisan’ny vaovao lehibe nolazain’i Marion tamin’ny mpanao gazety, omaly, io. Mahakasika ilay fampisehoana goavana hanombohana ny fankalazany ny 20 taona an-tsehatra, etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina izany. “Ezahinay ny hanome ny fetra ambony indrindra izay takatray. Hataontsika ao avokoa ireo hira nahanfatarana an’i Marion. Hira 45 fara-fahakeliny no iarahana ao”, hoy ny fampanantenan’ity mpanakanto ity.
“Te hanao izay mety ho an’ny mpankafy azy i Marion. Te hanolotra ny tsara indrindra ihany koa izahay. Hiaraka hanembona izay 20 taona izay isika, anatin’ny seho tsara avo kalitao. Hanomboka amin’ny 1 ora sy sasany dia efa hisy ny fanentanana, fa amin’ny 2 ora sy sasany tsy diso kosa no miakatra i Marion”, hoy kosa i Sylvanno Ratsimandresy, mpikarakara ny seho. Nohararaotiny, nandritra izany, ny nanao tamberina kely fa na teo aza ny zava-nitranga teto amin’ny firenena, izay nahatonga ny fiovaovan’ny daty, manan-kery hatrany ireo tapakila efa lafo mialoha. Efa maromaro ihany koa ny fitetezam-paritra tontosan’i Marion, hatramin’ny seho tany Paris sy Stutgart. Mbola hitohy hatramin’io taona ho avy io ny fankalazana.
Zo ny Aina




