Minisitra Ogascar Mandrindrarivony : “Hijoro ho mpampihavana aho…”

Nandray ny asany avy hatrany ny minisitry ny Kolontsaina sy ny serasera, omaly. Nametraka ireo laharam-­pahamehana amin’ireo mpiara-miasa aminy manomboka eto izy.

Hipoka olona ny Tranom­bokim-pirenena, omaly. Tsy olona hamaky boky na hijery fampisehoana ireo, fa tonga nanotrona ny famindran’ny minisitry ny Kolon­tsaina sy ny serasera teo alo­ha, Mara Volamiranty Donna, fahefana tamin’ny minisitra vao voatendry Mandrin­dra­rivony Ogascar Fenosoa. Ta­zana teny ireo mpanakanto, mpanao gazety, mpisehatra amin’ny kolontsaina sy ny serasera sy ireo mpampiseho endrika sao mba hitan’ny olona, toy ny mahazatra rehefa famindram-pahefana toy ireny.
“Nisy   tolom-bahoaka teto…Ny vahoaka no nitaky fiovana, ny hahatongavanay eto izany dia maniry hitondra fiovana isika. Voalohany, ho lesona ho antsika izay heverina ho tsy nety teo aloha. Tsy hamerina ny hadisoana fa hametraka kosa fa ny vahoaka no patron antsika. Mila mahita fiovana ny vahoaka anatin’ny roa volana. Fotoa­nan’ny asa izao fa tsy kabary, ny tenako dia hijoro ho mpampihavana antsika amin’ny sehatry ny serasera sy kolontsaina”, hoy ny nanombohan’i Gascar Fenosoa ny lahateniny voalohany amin’ny maha minisitry ny Kolontsaina sy ny serasera azy.
Matoa misy ny mpampihavana, misy ny disadisa. Efa nahalala izay mialoha ny minisitra ka hatao laharam-pahamehana ny fandravonana azy ireny. “Faniriako ny hanaovana ny taom-baovao malagasy ho daty iray, ary hatao andro tsy fiasana fa andraisan-karama izay”, hoy izy. Lohahevitra iray lehibe nampifanolana aman-taonany teto izay, ary tsy mbola voavaha ny olana. Noresahin’ny minisitra ihany koa fa hitondram-bahaolana ny mahakasika ny Omda, ny olan’ny mpanakanto, ny tontolon’ny sarimihetsika, ny harem-bakoka, sns.
Misy maromaro toy izay koa ny olana eo amin’ny lafiny serasera, indrindra ny tontolon’ny haino aman-jery. Nasiany resaka ny mety ho fanitsiana ny lalàna mifehy ny asa fanaovan-gazety. Haato avokoa ireo haino aman-jery tsy ara-dalàna manerana an’i Ma­daga­sikara. Ankoatra izay, hisokatra ho an’ny firehan-kevitra rehetra ny RNM sy TVM.
Ankoatra ny fitanisany ny kely vita, nanolotra ireo vola vita amin’ny volamena, izay harem-bakoka mety anisan’ireo harena miafin’ny jiolahin-tsambo taloha tany Sainte Marie, ny minisitra teo aloha, Mara Volamiranty Donna. Nanaovana fifamindram-pa­hefana ihany koa izany.

Zo ny Aina

Partager sur: