FANTINA sy FINTINA

Nilatsaka ny didy tsy fahazoana mivoaka an’i Madagasikara (IST), ho an’ny minisitra teo aloha, Sahondrarimalala Marie Michelle, sy ny mpiara-dia amin’ny fitondrana teo aloha, Rinah Rakotomanga. Niainga avy eo anivon’ny minisiteran’ny Atitany izany didy izany. Midika ireo fa mbola hisy fanadihadihadiana hatao amin’izy ireo.

Fifandaminana eo anivon’ny Antenimieram­pirenena ny fifidianana teo anivon’ny birao maharitra, araka ny nambaran’ny kestora vaovao, Randria­masinoro Tahiry Ny Riana, omaly. Nandray izany toerana izany izy ary nilaza fa tsy manana fahavalo. «Hanohy ny ezaky ny teo aloha aho ary hitondra ny traikefa ho an’ny tombontsoan’ny vahoaka», hoy izy.

Nesorina avokoa ireo governora amin’ny faritra 23, araka ny fanapahan’ny filankevitry ny minisitra, afakomaly, teny Iavoloha. Nofoanana ny didy nanen­drena azy ireo. Nofoanana koa ny fanendrena ireo mpiasam-panjakana ambony eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika. Mbola voatazona ny sekretera jeneraly sy ny talen’ny raharaham-panjakana sy ny vola.

Mitsahatra amin’ny maha mpikambana azy eo anivon’ny vovonana Firaisankina ny antoko Tim, araka ny fanambarana nosoniavin’ny filoha nasionaly, Ravalomanana Marc, omaly. Voatsiahy amin’izany fa niainga amin’ny fitsipika anatiny nananganana ny vovonana izany, rehefa vita ny fifidianana depiote, antony nampijoroana ny Firaisankina.

Partager sur: