Fitakiana teny an-kianja: Niaraha-nidinika ny Praiminisitra sy ny Vondrona eoropeanina

Noraisin’ny praiminisitra lehiben’ny governemanta, Rajaonarivelo Herintsalama, teny Mahazoarivo, ny solontenan’ny Vondrona eoropeanina (UE), Roland Kobia, omaly.

Voaresaka tamin’izao fi­haonana voalohany teo amin’ny roa tonta izao ny fiaraha-miasa eo amin’ny andaniny sy ny ankilany. Anisan’izany ny momba ireo tetikasa lehibe eo amin’ny lafiny sosialy sy ny ara-toekarena, anisan’ny andrasan’ny vahoaka malagasy. Tsy azo ihodivirana ao anatin’izany ireny fitakiana tamin’ny tolona teny an-kianja ireny.
Notsiahivin’ny ambasadaoron’ny UE, tamin’izany, fa mpiara-miombona antoka voalohany eo amin’ny sehatry ny varotra ary mampiasa vola mivantana koa ity vondrona iraisan-dry zareo eoropeanina ity. Manampy izany ny fanohanana ara-bola amin’ny fampandrosoana, indrindra amin’ny endrika fanomezana, vola tsy averina sy tsy trosa.

Olana eo amin’ny herinaratra sy ny rano

Anisan’ny noraisin’ny praiminisitra, Rajaonarivelo He­rintsalama, koa ny solontena maharitry ny Banky iraisam-pirenena eto Madagasikara, Atou Seck. Nifantoka tamin’ny fiaraha-miasan’ny roa tonta miompana amin’ny fanohanana ireo tetikasa laharam-pahamehan’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika ny resaka.
Nodinihina manokana koa ireo olana lehibe manakana ny fisitrahana ireo tolotra fototra amin’ny angovo sy ny rano, anisan’ny tena ilain’ny vahoaka malagasy. Eo koa ny fanabeazana sy ny fahasalamana. Nifanaraka ny roa tonta fa hanohy ny dinika miaraka amin’ireo ekipa teknika miahy ireo sehatra voalaza ireo, amin’ny herinandro ho avy. «Mba hahitana vahaolana haingana sy hitondrana fanatsarana eo amin’ny kalitaon’ny tolotra, ka hahazoan’ny rehetra misitraka vokatra azo tsapain-tanana ao anatin’ny fohy ezaka na amin’ny fotoana heverina ho antonony no hanatanterahana izany», hoy ny Praiminisitra.

Synèse R.

Partager sur: