Mpanakanto feno: 80 taona i Nalisoa Ravalitera

 Anisan’ireo zokiny indrindra, andrarezin’ny literatiora izy. Hisy ny « Mbarakalin’i Nalisoa Ravalitera », ho fanomezam-boninahitra azy, noho ny faha-80 taonany.

Andrarezin’ny zavakanto. Vitsy ihany no manana talenta tahaka azy. Sady poety no mpanoratra, mpampianatra no mpanabe, mpikabary, mpamoron-kira, mpihira mpitendry zavamaneno… Hanatanteraka hetsika lehibe ho azy ny fikambanana Havàtsa-Upem misy azy, ny 28 novambra izao, amin’ny 2 ora tolakandro, ao amin’ny Ivokolo Analakely (efitrano Ravaloson), ho fankalazana ny « Mbarakalin’i Nalisoa Ravalitera ». Izany hoe, ireo sanganasany no hoseharin’ireo mpikambana ao anatin’ny Havàtsa-Upem. Handravaka ity hetsika ity, eny an-tsehatra ihany koa, ny Tafasiry Kolokanto sy ny tarika Fangia Kalo Gasy ary ny Chorale UCM.

Olon’ny fifanakalozan-kevitra

Raha tsiahivina, ankoatra ny maha mpikambana ao amin’ny Akademia Malagasy azy, olon’ny fifanakalozan-kevitra koa i Nalisoa Ravalitera. Olon’ny kolontsaina malagasy. Hainy tsara ny mifanakalo hevitra manoloana ny olana sarotra. Hain-dRabenalisoa Ravalitera Jean tsara ny milaza ny heviny manoloana ny tanora sy izay heverin’izy ireo fa fandrosoana.

Hainy tanteraka ny maka ny toeran’ny raiamandreny ao anatina hadihevitra. Hany ka satrin’ny tanora ny mihaona aminy. Hita taratra any amin’ireo asa sorany izany ka nahatonga azy ireny tazana matetika any amin’ny laza adina amina fanadinana maro.

HaRy Razafindrakoto

 

Partager sur: