Mois : octobre 2025

Andao hidinika

  Mahavelombolo ny fivoaran’ny raharaha politika eto Madagasikara, amin’izao fotoana izao. Taorian’ny adilahy, io fa misokatra ny varavaran’ny fampihavanana. Hanao rodobe aty indray ny Vondrona afrikanina sy ny Sadc. Efa mipetrapetraka ny ekipa, daty fiaingan’ny sidina sisa dia higadona aty ifotony, hizaha ny zava-misy marina izy ireo. Ny eto an-tanàna […]

Disadisa politika: Misokatra tsikelikely ny fifampidinihana

Manao ranolava ny fanambarana iraisam-pirenena miantso fifampidinihana amin’ny samy Malagasy. Tsy mandà, mampirisika izany rahateo ny ekipan’ny kolonely Randrianirina Michael. Samy nanao antso avo ny amin’ny hirosoana amin’ny fifampiresahana avokoa ireo rafitra sy vondrona fiaraha-miasa aty Afrika ireo, tao anatin’ny 24 ora. « Ilaina ny fifanatonana, tsy manilika ny hafa ao […]

Kianja Barea Mahamasina : Mbola baraingo ny fanohizana ny asa

Araka ny zava-misy amin’ izao fotoana, mbola baraingo ny resaka hanohizana ny asa fanavaozana ny kianja Barea Mahamasina. Tsiahivina fa ity kianja ity, tokony ho nanaovan’ ny Caf fitsirihana, tamin’ ny herinandro lasa teo, saingy nahemotra izany noho ny toe-draharaham-pirenena. Tsara ny mampahafantatra fa efa tsy nahazo fankatoavana mihitsy ity […]

SOMBIM-BAOVAO

Hotanterahina anio 16 oktobra sy rahampitso 17 oktobra ilay seminera lehibe hiarahan’ny manam-pahaizana frantsay, i Anthony Masblanc, nahitana fihemorana indroa. Ao amin’ny Dojo Esca Antanimena, amin’ny 5 ora hariva hatramin’ny 6 ora sy sasany no hanaovana ity seminera ity, raha ny fandaharam-potoana efa napetraka. 10 000 Ariary kosa ny saran’ny […]

Famaranana basikety : Hatao ny alahady 19 oktobra ny lalao

Hotontosaina ny alahady 19 oktobra izao avokoa ireo lalao rehetra tsy tontosa ny faran’ny herinandro teo, araka ny nambaran’ny teo anivon’ny Seksionina ny Basikety Antananarivo Renivohitra. Lalao manasa-dalana sy famaranana ary fiadian-toerana fahatelo, ny hotanterahina eo amin’ny sokajy latsaky ny 12 taona, lahy sy vavy. Ny famaranana sy fiadian-toerana fahatelo […]