Mois : octobre 2025

Famahana ny krizy: Hihaona ny FFKM sy ny Capsat

Mandeha miandalana ny fakan-kevitra « Ady gasy ». Ao anatin’ny fikaroham-bahaolana ny eo anivon’ny FFKM. Nam­baran’ny loharanom-baovao iray fa hiverina hihaona amin’ireo miaramila, mitantana ny firenena ireo filoham-piangonana efatra mirahalahy. Efa nisy ny fihaonana teo aloha, teo amin’ ny andaniny sy ny ankilany, ary izao hifampiresaka izao indray. Anisan’ny efa noraisin’ny FFKM […]

Fikaroham-bahaolana: Ho avy, hiditra an-tsehatra ny Sadc

Namoaka fanambarana, omaly, ny filohan’ny Repobli­kan’i Malawi, sady filohan’ny vaomiera misahana ny politika sy ny fiarovana ary ny iaraha-miasa momba ny filaminana, ny Pr Arthur Peter Mutharika. « Handefa iraka maika ny Sadc Panel of Elders hanao tombana sy hijery ny hanatanterahana ny fifampiresahana manoloana ny toe-draha­raha », hoy izy. Niantso ny […]

Antenimierampirenena : Naongan’ny depiote ny birao maharitra

Mandeha hatrany ny fanonganana. Nitohy omaly ny fivoriana tsy ara-potoana eo anivon’ny Antenimierampirenena, eny Tsimbazaza. Anisan’ny nirosoan’izy ireo ny fandravana ny birao maharitra eo anivon’ity Andrimpanjakana ity. Nanaovana latsa-bato izany ka nisafidy ny eny, hanonganana ireo mpikamban’ny birao maharitra ireo depiote miisa 127 tamin’ireo 133. Nifidy ny tsia, tsy mankasitraka […]

Taorian’ny nandraisana fahefana : Tsy mbola manana sata ny tetezamita

Tsy mbola manana sata araka ny nivoizana azy hatramin’ny omaly ny fitondrana tetezamita. Ho laharam-pahame­han’ny fitondrana tarihin’ny Kly Randrianirina Michael kosa ny lafiny sosialy. Niresaka tamin’ny mpanao gazety ny filohan’ny Filankevi-pirenena ho an’ny fiarovana ny Tetezamita (CDNT), omaly, teny amin’ny Capsat. Nambarany tamin’ izany ny dingana manaraka, manoloana ny raharaham-pirenena. […]

StarTimes : Tolotra vaovao ho an’ny mpanjifa

Maromaro ny tolotra vaovao omen’ny orinasa Star­Times ny mpanjifa. Ho hita ao anatin’ny zotram-pandaharana Gasy star, manomboka anio 16 oktobra, amin’ny 7 ora sy sasany hariva, ny « Gangs of Manila ». Horonan-tsary filipianina mihetsiketsika, ahitana ilay mpilalao malaza Coco Martin, amin’ny anarana hoe Cardo ao amin’ny horonan-tsary (série) Brothers. Mam­pangitangitaka sy […]