Fanapahan’ny governemanta : Niala tsy ho mpitarika ny Sadc i Madagasikara

Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny fiadidiana ny fanavaozana ny Repoblika, ny sabotsy teo. Nisongadina amin’izany ny momba ny andraikitr’i Madagasikara eo anivon’ny Sadc.

«Nanapa-kevitra ny governemantan’ny Repoblika fa hiala amin’ny fiadidiana ny Sadc. Andraikitra noraisina ny 17 aogositra teo tamin’ny fihaonana an-tampony nataon’ireo filoham-panjakana eo anivon’ny Sadc izany », hoy ny fanambarana, manoloana ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena. Maneho ny fanirian’ny tompon’andraiki-panjakana hampifantoka ny ezaky ny firenena ho fanatanterahana ny dingan’ny fanavaozana ny Repoblika izany fanapahan-kevitra izany, araka ny fanambarana hatrany. « Mifanaraka amin’ny fanapahan-kevitry ny HCC ny 14 oktobra teo iza­ny. Tanjona ny hananganana fanjakana matanjaka hanamafisana ny firaisam-pirenena ary iantohana ny fitoniana sy ny fandrosoana maharitra », hoy ihany ny fanambarana.

Mbola ao anatin’ny Sadc i Madagasikara

Nohamafisina tamin’izany fa tsy manala an’i Mada­ga­sikara eo anivon’ny Sadc izany. Mikendry ny fandriampahalemana maharitra ary fampandrosoana ny fanirian’ny vahoaka malagasy. Mifa­naraka amin’ny soatoavina naroson’ireo raiamandreny mpanorina ka tafiditra ao anatin’izany ny fanavaozana manorina. « Fanamafisana ny fandraisan’anjaran’i Mada­gasi­kara amin’ny fampiroboroboana sy ny firaisankina eo anivon’ny vondrom-paritra izany », hoy ny fanambarana. Notsindriana tamin’izany fa manamafy ny fahavononana hiara-kiasa amin’ireo firenena mpikambana eo anivon’ny Sadc i Madagasikara.
Araka izany, andrasana ny handray ny toeran’ny ho mpitarika ny Sadc hatramin’ny aogositra 2026.

Synèse R.

Partager sur: